Ny abidy sirilika dia abidy slavy. Ankehitriny izy io dia ampiasaina amin'ny fanoratana ny fiteny rosiana, okrainiana, belarosiana, rosina, biolgara, masedôniana ary ny fiteny serba-krôata. Io abidy io koa dia abidy voaterin'ny Firaisana Sovietika ampiasain' ny fiteny tsy slava toa ireo teny tao Kaokazy sy Siberia ary ny faritra avaratr' i Rosia.
а | б | в | г | д | е | ё | ж | з | и | й | ј | к | л | м | н | о | п | р | с | т | у | ф | х | һ | ц | ч | џ | ш | щ | ъ | ы | ь | э | ю | я |
а | б | в | г | д | е | ё | ж | з | и | й | ј | к | л | м | н | о | п | р | с | т | у | ф | х | һ | ц | ч | џ | ш | щ | ъ | ы | ь | э | ю | я |
Ny abidy sirilika dia noforonin' i Ohrid sy i Clément tamin' ny taonjato faha-9, izay nampianarin' ny moanina (na monka) roa, dia i Kyrillos sy i Methodios. Ny fototr' io abidy io dia ny abidy grika. Ny soratra glagôlitika no nampiasaina talohan' ny abidy sirilika.