Abidy hebreo

Ny Abidy hebreo na Abidy hebrio dia fitambarana litera miisa 22 tsy ahitana zanatsoratra izay anoratana ny fîteny hebreo. Amin’ny fiteny hebreo, io abidy io dia atao hoe אָלֶף־בֵּית עִבְרִי‬ / Alefbet Ivri na האלפבית העברי / Ha-ˈAlefbet ha-Ivri. Tsy misy ny fanavahana ny sorabaventy sy ny soramadinika. Taty aoriana vao nisy marika miendri-teboka atao hoe nikkud izay amantarana ny zanapeo. Vakina avy ankavana miankavia ny soratra hebreo.

Ny abidy hebreo no nanoratana ny boky ao amin' ny Tanakh (Baiboly hebreo), izany hoe izy no nanoratana ny fiteny fototry ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly. Izy koa no anoratana ny fitenin' ny Jiosy hafa ankehitriny.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne