Ny Alahamady no vintana voalohany ao amin' ny fanandroana malagasy. Ny Alohotsy no eo alohany ary ny Adaoro no manaraka azy. Ny zoro avaratra-atsinana no toerana omena azy. Io zoro io dia atao hoe zorofirarazana koa. Amin' ny Malagasy dia anaram-bintana aloha ny Alahamady vao izay anaram-bolana sy zavatra hafa (zoro, biby, habaka, erana sns). Renivintana na renim-bintana ny Alahamady. Misy amin' ny Malagasy ny mandray ny volana Alahamady ho volana voalohany amin' ny taona ao amin' ny tetiandro malagasy.