Ny Alarobia dia andro fahatelo ao amin' ny herinandro raha ny Alatsinainy no andro voalohany, fa andro fahefatra kosa raha ny Alahady no andro voalohany. Amin' ny Malagasy mandala ny fomban-drazana dia andro fahafito izy raha manomboka amin' ny Alakamisy ny herinandro.