I Aleksandra Lehibe dia mpitari-tafika makedôniana sady mpanao tetikady mahay izay afaka nanafika sy naka tany midadasika tao anaty fotoana fohy avy any Grisia hatrany India. Teraka tamin' ny 356, maty tamin' ny 323 tal. J.K. tany Babilôna izy. Ἀλέξανδρος ὁ Μέγας / Aléxandros ho Mégas na Μέγας Ἀλέξανδρος / Mégas Aléxandros) ny anarany amin' ny teny grika.