Aljeria

الجمهورية الجزائرية الديمقراطية الشعبية ((ar))
Tagduda tamegdayt taɣerfant tazzayrit kab
ⵝⴰⴳⴷⵓⴷⴰ ⵝⴰⵎⴳⴰⵢⵝ ⵝⴰⵖⴻⵔⴼⴰⵏⵝ ⵝⴰⴷⵣⴰⵢⵔⵉⵝ kab
Repoblika Aljeriana Demôkratika sy Entim-Bahoaka ((mg))
Drapeau de l'Algérie
(Antsipirihany)
Teny filamatra : La révolution par le peuple et pour le peuple
Localisation de l'Algérie
Teny ofisialy Arabo tsotra[1]
[2]
Renivohitra Alger
36°46' N, 03°03' E
tanàna ngeza indrindra Alger
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha
 - Praiministra
Repoblika
Abdelmadjid Tebboune (عبد المجيد تبون)
Aymen Benabderrahmane (أيمن بن عبد الرحمان)
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 11
2 381 741 km²
tsy fantatra
Isam-ponina
 - Tontaliny (2008)
 - hakitroka
faha 35
34 857 029 mpo.
14,0 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Aljeriana
IDH (2007) 0,761 (moyen) faha 79[3]
Sandam-bola Dinara Aljeriana (DZD)
Faritr'ora UTC +1
Hiram-pirenena Kassaman
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+213

I Aljeria na Alzeria dia firenena any Afrika Avaratra, ao amin' ny faritra atao hoe Maghreb. Ny renivohiny dia i Alger, any amin' ny tapany avaratra amin' i Aljeria, eo amin' ny morontsiraka Mediteraneanina. Manana velaran-tany mirefy 2 381 741 km² i Aljeria. Izy no firenena ngeza indrindra manana morontsiraka amin' ny Ranomasina Mediteranea ary izy ihany koa no firenena ngeza indrindra aty Afrika ao aorian' i Sodàna. Mizara sisintany amin' i Tonizia sy Libia izy any atsinanana, amin' i Maly sy Nizera any atsimo, ary amin' i Marôka sy Maoritania any andrefana izy. Atao hoe Aljeriana na Alzeriana ny vahoakan' io firenena io.

Mpikambana ao amin' ny Firenena Mikambana, ny Vondrona Afrikana ary ny Liga arabo (frantsay: Ligue des États Arabes (arabo: جامعة الدول العربية / Jāmiʿat ad-duwal al-ʿarabiyya; anglisy: League of Arab States) izy tamin' ny 1962, daty nahazoany ny fahaleovantenany, hatramin' izao. Niditra tamin' ny fikambanan' ny firenena manondrana solitany (anglisy: Organization of the Petroleum Exporting Countries -- OPEC; frantsay: Organisation des pays exportateurs de pétrole -- OPEP) izy tamin' ny 1969. Nandray anjara i Aljeria tamin' ny famoronana ny Firaisan' i Magreba Arabo (UMA) tamin' ny 1989.

Ny lalàm-panorenana aljerianina dia manao hoe "ny Silamo, ny maha-Arabo ary ny maha-Amazigta" dia anisan' ny "fototry" ny maha-Aljerianina ny mponina, ary milaza koa ny lalàm-panorenana fa ny firenena dia "tanin' ny Silamo, ao amin' i Magreba Lehibe, Mediteraneanina ary Afrikanina".

  1. Ministra ny vahiny
  2. Tenim-pirenena ny teny berbera.
  3. L’Algérie classée 79e selon le CNES

From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne