Ny aloalo dia hazo voasokitra avy aty ambany hatrany ambony izay entina anaingoana ny fasana any amin' ny faritra mahafaly sy karimbola ary tandroy (indrindra ny tapany andrefana), ka matetika ahitana sarin' omby na sarin' olona ny eny amin' ny tampony. Matetika ny aloalo eny amin' ny fasana mahafaly na antandroy dia hodidinin' ny tandrok' omby novonona tamin' ny fanamboaram-pasana sy ny fandevenana. Ahitana aloalo koa tsindraindray ny fasan' ny Sakalava. Ao amin' ny Bara dia mety ho sary sokitra tsotra maneho sarin' olona iray ny aloalo.