Ny Andriandoriamanjaka dia iantsoana ireo zana-dRabefaravolamanjaka tamin' Andrianamboninolona zanak' Andriamananitany. Misy valo ireo Andriandoriamanjaka zana-dRabefaravolamanjaka tamin' Andrianamboninolona saingy ireto anarana efatra ireto no voatazon' ny lovantsofina matetika dia Andriandambotanimanjaka sy Ravolarivomanjaka sy Andriamasoandrobe ary Andriatsitakatrarivo.