Andrianjaka

I Besakana, trano fonenan' Andranjaka ao amin' ny Rovan' Antananarivo

Andrianjaka dia mpanjaka tao amin' ny Fanjakana Merina izay nanapaka tamin' ny taona 1610-1630. Zanaka lahin' ny mpanjaka Ralambo izy. Vitany ny fanitarana ny fanjakana natombok' ireo mpanjaka teo alohany ka tao Analamanga, izay novana anarana hoe Antananarivo, no nataony renivohitry ny fanjakany. Nandry fahalemanana kokoa ny tany tamin' ny fitondrany ka nahavitana asa lehibe toy ny fitarihan-drano hanajariana ny honahonan' i Betsimitatatra izay nanodidina an' Antananarivo, mba hanaovana tanimbary.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne