Ny Andro farany na ny Faran' andro dia ny fahataperan' izao tontolo izao na ny olombelona eto amin' izao tontolo izao. Ny Andro farany dia tsy afa-misaraka amin' ny fiheverana ny tontolo vaovao izay inoana fa efa vonona hisolo ny tontolo taloha. Ampahany iray lehibe amin' ny zavatra dinihina ao amin' ny taranja teôlôjika atao hoe eskatôlôjia ny amin' ny Andro farany.