Anjely

Anjely mpiambina, nataon' i Bernhard Plockhorst
Ilay anjely maratra, Hugo Simberg, 1903

Ny anjely, araka ny fivavahana sy fedrà maro, dia zava-manan' aina any an-danitra, fanahy, izay irahin' Andriamanitra ho mpanelanelana azy sy ny olona ety ambonin' ny tany sady ho mpampita ny hafatra sy ny sitrapon' Andriamanitra amin' ny olona (anjely tsara), na koa manatanteraka ny sitrapony tsy araka ny sitrapon' Andriamanitra (anjely ratsy, amin' ny jodaisma sy ny kristianisma).

Mety hampianatra, hanome vaovao, na hanome baiko avy amin’ Andriamanitra ny anjely. Mety ho tsara na ratsy ny anjely, ka ny ratsy dia atao hoe Devoly sy demony (na demonia) fa ny tsara kosa dia atao hoe anjely fotsiny. Miresaka momba ny anjely ny soratra masin' ny Jiosy (Tanakh) sy ny an' ny Kristiana (Baiboly) ary ny an' ny Silamo (Kor'any). Ny taranja teôlôjika ianarana ny amin' ny anjely dia ny anjelôlôjia.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne