Anjely potraka

Sarin' ireo anjely potraka nataon' i Gustave Doré ao amin' ny boky Paradise Lost an' i John Milton (1866)

Ny anjely potraka na anjely lavo, ao amin' ny jodaisma sy ny kristianisma ary ny fivavahana silamo, dia anjely natao sesitany na noroahina avy tany an-danitra (na Paradisa) ho saziny noho ny tsy fankatoavany na ny fikomiany tamin' Andriamanitra. Ao amin' ny fivavahana silamo dia resahina indrindra ny jiny, dia ireo zavaboary manana safidy malalaka tahaka ny olombelona. Ny malaza indrindra amin' ireo dia i Losifera, izay ampitoviana tamin' i Satana tatỳ aoriana, ny tena filazana momba ny anjely lavo ao amin' ny Baiboly dia andalan-teny avy ao amin' ny Bokin' i Isaia, (Isaia 14:3-20), nefa raha ny marina dia andalana milazalaza ny fahalavoan' ny mpanjakan’ i Babilôna ilay izy.

Hita koa ao amin' ny fivavahana maro hafa, toy ny hindoisma, ny firesahana ny amin' ny anjely potraka izay lohahevitra ara-javakanto ankafizin' ny maro.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne