Ny Antenimiera na Parlemanta dia andrim-panjakana ahitana mpikambana maro manatanteraka fivoriambe, izay misolo tena ny vahoaka ao amin' ny firenena, na ao amin' ny fizaràna ara-pitantanana anatin' ny firenena (ohatra any amin' ny fanjakana federaly), na anaty fikambanam-pirenena toa ny Parlemanta Eorôpeana ao amin' ny Vondrona Eorôpeana.
Amin' ny ankapobeny dia manana andraikitra telo ny Parlemanta: misolo tena ny olom-pirena mpifidy, manao sy manova lalàna (amin' ny maha tompon' ny fahefana mpanao lalàna azy), ary manara-maso ny Governemanta amin' ny alalan' ny fihainoana sy fanontaniana. Mpanolo-tsaina ny fahefana mpanatanteraka koa ny Antenimiera (indrindra ny Antenimieran-doholona) ary afaka misolo tena ny fireneny any ivelany.