Ny Antikristy dia zavatra na olona resahina ao amin' ny eskatôlôjia kristiana sy silamo, nefa tsy mitovy ny fiheveran' ireo fivavahana roa ireo izany. Ao amin' ireo Epistilin' i Joany sy ao amin' ny Epistily faharoa ho an' ny Tesalôniana no iresahana izany ao amin' ny Baiboly, amin' ny endrika miovaova, nefa nanovo tamin' zay efa hita taratr tao amin' ny jodaisma atao hoe "antimesia".