Ny Armeniana dia vahoaka avy any Kaokazy sy any amin' ny Lembalemba Avo Armeniana. Izy ireo no mponina maro anisa indrindra ao Armenia (miisa 3 tapitrisa eo ho eo) sy ao amin' ny Repoblikan' i Artsaka (Artsakh) (miisa 150 000 any ho any). Misy any am-pielezana koa ny Armeniana izay miisa 5 tapitrisa manerana izao tontolo izao, niforona indrindra noho ny fandripahana ny Armeniana ny ampahany be amin' izany. Ny Armeniana no nanaiky voalohany ny kristianisma ho fivavaham-pirenena izay namorona sy nitazona sampana miavaka ao amin' io fivavahana io, dia ny Fiangonana Apôstôlika Armeniana. Noraisina ho fivavaham-panjakana ao amin' ny Fanjakan' i Armenia tamin' ny taona 301 taor. J.K. ny kristianisma. Atao hoe Հայեր / Hayer izy ireo amin' ny teny armeniana.
Miteny amin' ny fitenim-paritra roa samy hafa nefa samy azon' ny mpiteny ny andaniny sy ny ankilany ny Armeniana: ny fiteny armeniana atsinanana, ampiasaina any Armenia, any Artsakh, any Kaokazy ary any Iràna, an-daniny, sy ny fiteny armeniana andrefana, ampiasaina any Armenia Andrefana ara-tantara ary indrindra tao amin' ny fianakaviambe am-pielezana armeniana, taorian' ny fandripahana ny Armeniana. Rafi-panoratana tsy manam-paharoa noforonin' i Mesrop Mashtots tamin' ny taona 405 taor. J.K. ny abidy armeniana.
Eo amin' ny fihaonan' i Eorôpa sy i Azia, eo amin' ny fihaonan-dalana ara-kolontsaina sy ara-tantara ary ara-pivavahana, ny vahoaka armeniana, izay namolavola kolontsaina miavaka sy mahari-pery.