Asan' i Petera

Ny Asan' i Petera na Asan' i Piera dia soratra apôkrifa kristiana tranainy voasoratra tamin' ny taonjato faha-2 na tamin' ny fiantombohan' ny taonjato faha-3.

Azo zaraina roa ny boky: ny fizaràna voalohany dia mitantara zavatra niseho tao Jerosalema fa ny faharoa kosa miresaka zavatra niseho tao Rôma. Ny "Fiangonana Lehibe" dia manao an' io boky io ho apôkrifa tamin' ny taonjato faha-6 sy faha-8. Ny Kristiana tany aloha dia mihevitra fa i Leokiôsy Karinôsy izay lazain' i Epifaniôsy avy any Salamina mpiara-dia amin' ny apôstôly Joany no nanoratra azy.

Io no boky voalohany izay milaza fa maty nohomboana tamin' ny hazo fijaliana ny apôstôly Petera na Piera, sady ahitana ny lahatenin' i Petera manazava ny antony nangatahany ny hanaovana ny lohany ambany amin' ny fanomboana azy.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne