Azery (vahoaka)

Zazavavy azerbijany mpanao dihy nentim-paharazana

Ny Azery na Azerbaijany dia vondrom-poko manam-piaviana torkika izay mipetraka indrindra any tapany avaratra-andrefan' i Iràna sy ny Repoblikan' i Azerbaijàna. Hita any amin' ny faritra midadasika manomboka any Kaokazy ka hatrany amin' ny Lembalemba Iraniana koa izy ireo. Izy ireo no vondrom-poko faharoa be indrindra amin' ny vahoaka miteny torkika, aorian' ny vahoaka tiorka, ary Miozolmana siita ny ankamaroany, sady manana lova ara-kolotsaina voaforon-tsinga iraniana sy kaokaziana ary torkika. Izy no vondrom-poko lehibe indrindra ao amin' ny Repoblikan' i Azerbaijàna sy vondrom-poko faharoa lehibe indrindra any Iràna sy any Jeôrjia mifanila aminy. Miisa eo anelanelan'ny 30 sy 35 tapitrisa izy ireo maneran-tany. Miteny ny fiteny azery (antsoina hoe fiteny azerbaijany koa) izy ireo, fiteny ao amin' ny sampana ôgozy amin' ny vondrom-piteny torkika, ary mitondra lova mifangaro avy amin' ny singa kaokaziana (albaniana) sy iraniana ary torkika.

Atsoina Azery (avy amin' ny teny azery hoe آذریلر / Азәриләр / Azərilər), na Azary (avy amin' ny teny persana: ترک آذربایجانی / Āzari), na Azerbaijany (avy amin' ny teny azery: Azərbaycanlılar), na Tiorka Azery (Azərbaycan türkləri) koa izy ireo.

Manondro ny olom-pirenena ao amin' ny Repoblikan' i Azerbaijàna ary izy ireo ihany, ny teny hoe Azerbaijaney. Ampiasaina amin' ny fomba diso indraindray ny teny hoe Azery ka atao mitovy hevitra amin' ny Azerbaijaney.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne