Batisa

Ny batisan' i Kristy, sary nataon' i Jan van Scorel (1527)

Ny batisa na batemy dia fomba andraisana ny olona ho mpikambana ao amin' ny fivavahana iray, toy ny kristianisma sy ny jodaisma, izay tanterahina amin' ny fampiasana rano natao handena ny loha fara-fahakeliny na ny tena manontolo. Amin' ny ankapobeny, eo amin' ny fivavahana kristiana dia atao amin' ny anaran' ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ny batisa. Anisan' ny atao hoe sakramenta na fanomezam-pahasoavana ny batisa. Milaza ny Filazantsara fa i Jesoa koa dia natao batisa ka i Joany (na Jaona) no nanao batisa azy. Ho an' ny Kristiana, ny batisa dia tsy nijanona ho fanatsobohana anaty rano fa fitomoerana ao amin' ny Fanahy Masina.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne