Betlehema

I Betlehema jerena avy eny amin' ny Fiangonan' ny Fahaterahana

I Betlehema dia tanàna ao amin' ny Jôrdania Andrefana, ao amin' ny Fizaràn-tany palestiniana voabodo, 10 km eo atsimon' i Jerosalema. Ny velarany dia 10,61 km2. Ity tanàna ity dia nisy mponina 28.591 tamin' ny taona 2017, indrindra ny Palestiniana mozilmana. Izy io koa dia fonenan' ny Kristianina palestiniana vitsy, izay anisan' ny vondrom-piarahamonina kristiana tranainy indrindra eran-tany. Ny faritry ny tanànan' i Betlehema dia mipaka hatrany amin' ny tanànan' i Beit Jala sy i Beit Sahour.

Amin' ny teny hebreo izy dia atao hoe בֵּית לֶחֶם / Bet Lekhem fa amin'ny teny arabo kosa dia بَيْت لَحْم, Bayt Laḥm.

Foibem-pivavahana lehibe ilay tanàna. Ny lovantsofina jiosy, izay miantso azy koa hoe Efrata, dia mahatonga azy io hoheverina fa toerana nahaterahan' i Davida, mpanjakan' i Isiraely. Toerana masina ao amin' ny jodaisma koa izy io, satria ahitana ny fasan' i Rahely (na Rasela), eo amin' ny fidirana amin' ilay tanàna. Ny Kristiana dia mihevitra azy ho ny tanàna nahaterahan' i Jesoa, araka ny voasoratra ao amin' ny Baiboly. Toerana fanaovana fivahiniana masina i Betlehema, izay miteraka asa ara-toekarena lehibe mandritra ny vanim-potoan' ny Krismasy.

Nanomboka tamin' ny taona 1995, araka ny fepetran' ny Fifanarahana tany Oslo, ny tanànan' i Betlehema dia eo ambany fitantanan' ny Fahefana Palestiniana, na dia i Israely no mitantana n ampahany be amin' ilay tanàna (85%).


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne