Ny biby eto Madagasikara dia ampahany amin' ny zavamananaina eto Madagasikara. Toy ny zavamaniry ao aminy, dia manankarena tokoa ity nosy ity raha ny karazam-biby ao aminy no heverina. Raha ny marina, dia eo anelanelan' ny 80 % sy 90 % ny karazana misy eto nefa tsy fahita any ivelan' ny Nosy. Tombanana ho 100 000 mahery ny karazana bibikely sy ny kankana eto Madagasikara. Ny bibikely dia fantatra fa misy karazana 850 mahery, izay saika tsy fahita firy ivelan' ny Nosy. Amin' izy ireo, ny lolo dia misy karazana manakaiky ny 400. Eto Madagasikara no ahitana ny lolo iray tsy fahita firy eto an-tany, dia ny lolo atao amin' ny anarana ara-tsiansa hoe Argema mittrei, mirefy 15 sm ny fivelatry ny elany roa.
Ny morontsiraka sy ny haran-dranomasina dia fonenan' ny bibin-dranomasina isan-karazany. Amin' ny karazana trondro maro, ny sasany dia misy poizina, toy ny trondro atao hoe Synanceia verrucosa sy Pterois volitans, izay mampiavaka ny ranomasina ao amin' ny Ranomasimbe Indiana sy Pasifika. Misy maro ny antsantsa, indrindra fa ny Carcharias taurus, ny Stegostoma fasciatum, ny Carcharhinus perezii ary ny Rhinobatidae. Manomboka amin' ny volana Jolay ka hatramin' ny Ôktôbra dia tonga miteraka tsy lavitra ny morontsirak' i Nosy Boraha (Sainte-Marie), ny karazana trozona Megaptera novaeangliae, isan' ireo toeram-piterahan' io karazana hazandrano io.
Maherin' ny 250 ny karazana biby mandady sy mikisaka eto Madagasikara,izay tsy misy any ivelany ny 95 % aminy. Ireo biby ireo dia ahitana karazana bibilava 60 eo ho eo (anisan' izany ny karazana dona 3, anisan' izany ny Acrantophis madagascariensis, toy ny katsatsaka (Gekkota) karazany 60 sy karazana tanalahy (Chamaeleonidae) eo amin' ny 50, anisan' izany ilay farany kely (Brookesia minima) izay tsy mihoatra ny 3,5 sm ny halavany. Ny voay hany hita eto amin' ny Nosy dia ny voay Crocodylus niloticus izay be mpihaza ka lasa tsy fahita firy. Ny sahona sy saobakaka dia misy karazana 180 eo ho eo, ka 98 % dia tsy misy afa-tsy eto Madagasikara.
Karazana vorona 260 eo ho eo no fantatra fa misy eto Madagasikara, anisan' izany ny Phaethon rubricauda.
Misy karazana sy zana-karazana 150 eo ho eo ny biby misy nono. Tsy misy sakabe toy ny tigra na ny pleôparda (Felinae) na rajako ny eto amin' ny Nosy. Ny karazam-barika misy eto dia samy atahorana ho lany tamingana: ny haihay (Daubentonia madagascariensis), ny babakoto na endrina (Indri indri), ny hira (Lemur catta) sy ny maky isan-karazany (Lemuridae) - izay tena miely patrana -, ny tsidiala (Allocebus trichotis), ny tsidika (Cheirogaleus milii), ny tsitsihy (Cheirogaleus major), ny matavirambo (Cheirogaleus medius) ary ny tsidy isan-karazany (Microcebus), izay anisan' ny kely indrindra eto an-an-tany. Ny fosa, izay biby mpivoaka alina, dia anisan' ireo biby tsy fahita afa-tsy eto amin' ny Nosy.