Ny Bokin' ny Olona Goavambe na Bokin' ny Rapeto dia boky apôkrifa jiosy izay manitatra ireo fitantarana ao amin' ny Baiboly hebreo. Ny fahitana azy tao Komrano dia ahafaha-milaza fa nosoratana talohan' ny taonjato faha-2 tal. J.K. izy.
Io boky io dia mirakitra tantaran-javatra niseho talohan' ny Safodrano izay noraisina indrindra tao amin' ny literatiora manikeana sady fantatra tao Turpan[1]. Na dia izany aza dia avy amin' ny dika mitovy arameanan' ny boky io tao amin' ny Ranomasina Maty no nahafantarana ilay boky tamin' ny voalohany. Ankoatra izany dia ahitana famerenan-tsiahy avy ao amin' ny Bokin' ny Genesisy (Gen. 6.1-4) ao amin' ny Bokin' i Henôka ary fahitana ao amin' ny Bokin' i Daniela (Dan. 7.9-14) io boky io. Mitantara ny lasa sy ny hoavin' ireo Nefilima tao amin' ny Safodrano ilay boky[2].