Ny Bokin' i Habakoka dia boky ao amin' ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin' ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly kristiana. Mampita hafatra ny mpaminany fa ny fahoriana dia tsy haharitra: manam-potoana aharetany manokana avy ny zavatra tsirairay, ary ny olo-marina dia tsy maintsy handresy amin’ ny farany. "Fa ny marina ho velon' ny finoany" (Hab. 2.4).