Bokin' i Nahoma

Ny mpaminany Nahoma, sary natao tamin'ny taonjato faha-18.

Ny Bokin'i Nahoma dia boky ao amin’ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristiana voasoratra tamin’ny taonjato faha-7 tao Jerosalema. Ao amin’ity boky ity ny mpaminany Nahoma dia manambara ny hitsarana sy ny hanamelohana an’ i Ninive renivohitr’ i Asiria (na Asora) noho ny fangejany ireo firenen-kafa. Maneho anefa i Nahoma fa Andriamanitra hamindra fo amin’ izay miverina aminy. Fanehoan’ Andriamanitra ny famindram-pony amin’ny olona ny fanasaziana ny fahavalony sy ny famotsorany ny vahoakany ho afaka amin’ny fifehezan’ ny fahavalony. Vitan’ Andriamanitra izany satria izy no mpanapaka ny tany rehetra.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne