Ny Bokin' i Rota dia boky ao amin’ ny Testamenta Taloha, ao amin’ ny Baiboly, sy ao amin’ ny Tanakh, boky masin' ny Jiosy. Mitantara ny fiainan’ ny fianakaviana iray tamin’ ny andron’ ny mpitsara ny boky, ka manasongadina ny fifikiran’ ny vehivavy môabita iray, atao hoe Rota, amin’ ny rafozambaviny na dia teo aza ny fijaliana nahazo azy ireo. Lasa isan’ ireo olona manan-danja indrindra eo amin’ ny tantaran’ ny Israelita i Rota, na dia avy amin’ ny firenena hafa aza, noho ny niterahany ny razamben’ i Davida mpanjaka.
Avondrona ao amin’ ny atao hoe boky ara-tantara ny Bokin’ i Rota ao amin’ ny Baiboly kristiana fa isan’ ireo atao hoe Ketuvim ("soratra") kosa ao amin’ ny boky masina hebreo Tanakh. Atao hoe מגילת רות / Megilath Ruth ("horonam-bokin’ i Rota") io boky io ao amin’ ny Tanakh.