Ny Bokin' ny Fitomaniana dia boky hita ao amin' ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly kristiana. Tonon-kiram-pisaonana lava narafitra amin' ny fomba kanto no ao anatiny, izay mamisavisa ny fahoriana lehibe vokatry ny fahirano, ny fandravana an' i Jerosalema sy ny Tempoly. Mafonja ny tonon' ireo fitomaniana ireo izay maneho ny fahoriana lalina vokatry ny fahantrana sy ny mosary sy ny fandripahana ary ny loza hafa koa. Ireo rehetra ireo dia fisehon' ny famaizan' Andriamanitra noho ny fahotan' ny vahoaka sy ny mpaminany ary ny mpisorona. Na dia izany aza dia mifarana amin' ny tonon-kiram-panantenana ny Bokin' ny Fitomaniana.
Navondrona ireo tonon-kira ireo, angamba mba hatao ho fahatsiarovana sady harahina fifadian-kanina. Nampiditra ny Fitomaniana ao amin' ny litorjian' ny Herinandro masina ny fiangonana kristiana sasany.