Bokin' ny Levitikosy

Nalefa any amin' i Azazela ilay osilahy, nataon' i William James Webb, 1904

Ny Bokin' ny Levitikosy na Bokin' ny Levitika na Bokin' ny Fisoronana, dia boky fahatelo ao amin' ny Baiboly jiosy sy kristiana, ao amin' ny Torah sy ny Testamenta Taloha, izay miresaka sy mitantara ny amin' ny fanompoam-pivavahan' ny Israelita nankinina tamin' ny fokom-pirenen' i Levy. Boky mitambatra ao amin' ny Pentateoka (boky dimy voalohany ao amin' ny Baiboly) na ny Torah ny Levitikosy izay anisan' ireo atao hoe bokim-pisoronana na bokin' ny mpisorona.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne