Bokin' ny Mpaminany 12

Ny Mpaminany roa ambin'ny folo na Mpaminany 12 na Mpaminany madinika, dia boky na horonam-boky ao amin’ny Tanakh, Baiboly hebreo, izay voasokajy ao amin’ ny Nevi’im aharonim, zana-tsokajin’ ny Nevi’im ("Mpaminany") izay fizaràna faharoa ao amin’ ny Tanakh manaraka ny Torah (fizaràna voalohany "Lalàna") sady arahin’ ny Ketuvim (fizarana fahatelo farany "Soratra"). Atao hoe Trei Assar ("Mpaminany 12") ny fitambaran' izy ireo. Hita ao amin’ ny Baiboly kristiana ireo boky ireo ao amin’ ny zana-tsokajy atao hoe "Mpaminany madinika" izay ao amin’ ny fizaràna fahefatra atao hoe "Bokin' ny mpaminany". Ireto avy ireo boky ireo:


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne