Ny Bokin' ny Mpanjaka dia boky ao amin' ny Tanakh izay isan’ireo bokin' ny mpaminany mitantara ny fanjakan’ i Sôlômôna sy ny nanorenany ny Tempoly voalohany, ny fivakisan' ny firenena ho fanjakana roa. Asehony tsirairay ny nitondran’ ireo mpanjakan’ i Isiraely sy i Jodà izay voahelok’ Andriamanitra noho ny tsy fanarahan’izy ireo ny didiny. Voatantara koa ny fandraisan' anjaran' ireo mpaminany manoloana ny fahotan' ireo mpanjaka izay nitarika ny faharavan' ny Fanjakan’ i Isiraely sy ny Fanjakan' i Jodà. Ny fizaràna an' io boky io ho roa no nahazoana ny Boky voalohan' ny Mpanjaka sy ny Boky faharoan' ny Mpanjaka.