Boky voalohan' i Samoela

I Samoela tamin' ny manosorana an' i Davida ho mpanjaka, nataon' i Jan Victors, taona 1629 à 1676

Ny Boky voalohan' i Samoela dia boky hita ao amin' ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly sy ao amin’ ny Tanakh, boky masin’ ny Jiosy. Mitantara ny fanombohan’ ny fitondrà-mpanjaka voalohany tao amin’ ny Israelita sy ny adiny tamin’ ny firenena fahavalony ilay boky. Resahiny koa ny fahotana nataon’ i Saoly sy i Davida, mpanjaka roa voalohany, izay niteraka olana teo amin’ ny fitondrany sy ny fireneny.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne