Borondy

Sainam-pirenen' i Borondy
Mari-piandrianan' i Borondy
Saritany maneho an' i Borondy ao Afrika

I Borondy dia firenena ao Afrika Afovoany, tsy manana morontsiraka, manana velarana mirefy 27 834 km2. Isan' ireo firenena ao amin' ny faritry ny Farihy Lehibe izy. I Bujumbura no renivohiny. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mamaritra an' i Borondy ao avaratra i Roanda, ao atsinanana sy atsimo i Tsady, ao andrefana ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, ka ny farihy Tanganyika sy i Ruzizi no sisin-tany voajanahary manefitra azy amin' ity firenena ity. Ny faritr' orany dia +2.

Anisan' ireo firenena kely velaran-tany indrindra aty Afrika i Borondy. Be tendrombohitra sy be lembalemba ity firenena ity.

Nisy mponina miisa 8 749 000 ny ao Borondy araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2012. Makitroka ny mponina ao Borondy, ny ankamaroany dia monina ambanivohitra. Atao hoe Borondey ny vahoakan' io firenena io.

Borondy

Ny Hoto no maro anisa indrindra (85 %), manaraka azy ny Totsy (14 %), avy eo ny Toà (1 %). Anisan' ny manamarika ny tantaran' i Borondy ny ady an-trano nifanandrinan' ny Hoto sy ny Totsy. Ny ankamaroan' ny vahoaka borondey dia Kristiana. Ny fiteny kirondy sy ny fiteny frantsay no fiteny ôfisialy any Borondy.

Anisan' ny firenena mahantra indrindra maneran-tany i Borondy izay manorina ny toekarenany amin' ny fambolena sy ny fiompiana.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne