I Cebu dia iray amin' ireo nosy lehibe indrindra ao Filipina izay eo afovoan' ilay firenena, eo anelanelan' ny nosy Mindanao any atsimo sy ny nosy Luzon any avaratra. Ny tanàna lehibe indrindra ao dia i Cebu, izay renivohitry ny faritany mitovy anarana. Mirefy 225 km ny halavany ary 35 km ny sakany lehibe indrindra. Atao hoe Sugbo, izy amin' ny teny seboano.