Ny demony na demonia, araka ny finoan' ny fivavahana maro, dia zavaboary tsy hita maso (fanahy) manana hery ratsy mahatonga ny fahaverezan' ny olombelona entiny hanao ny ratsy. Ao amin' ny fivavahana abrahamika (jodaisma, kristianisma, silamo, sns) dia iantsoana ny fanahy na anjely nanaraka an' i Satana na Devoly nikomy tamin' Andriamanitra ny demony. Ao amin' ireo fivavahana ireo sy ny fivavahana maro hafa koa dia heverina fa afaka mipetraka amin' olona ny demony ka ilaina ny famoahana na ny fandroahana azy.
Ny anarana hoe Demony na Demonia koa dia matetika asolo ny hoe Satana na Devoly, indrindra rehefa ampiasaina hilazana zavatra tokana sy ialohavan' ny mpanoritra "ny" na "ilay" ("ny demony", "ilay demony"). Ny sampan' ny teôlôjia andalinana ny fomba sy ny fahefana ary ny ambaratonga misy eo amin' ny samy demony dia ilay taranja atao hoe demônôlôjia, izay zana-taranjan' ny anjelôlôjia, amin' ny maha anjely potraka azy ireo. Tsy ao amin' ny fivavahana jiosy sy kristiana ary silamo ihany no iresahana ny demony na ny demonia fa amin' ny ôkoltisma sy ny literatiora ary ny fedrà sasany koa.