Droza

Sainan' ny Droza

Ny Droza dia vahoaka monina indrindra ao Atsinanana Akaiky, mitory fivavahana mozilmàna tsy manaraka izay arahin' ny maro (sampan' ny ismaelisma), ka ao amin' ny tapany atsimon' i Libàna sy ao amin' ny faritra afovoan' ny Tendrombohitra Libàna, ao amin' ny tapany atsimon' i Siria (indrindra ao amin' ny faritra be tendrombohitr' i Hawran, izay fantatra amin' ny anarana hoe Jebel Druze "tendrombohitry ny Droza"), ao amin' ny tapany avaratry ny Fanjakan' i Israely ao Galilea, ary eo amin' ny Lembalemban' i Golan. Ny anarana hoe Droza dia fanagasiana ny anarana arabo hoe درزي / durzī (milaza maro: دروز / durūz).


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne