Ny Epistily faharoa nosoratan' i Petera na Epistola faharoa nosoratan' i Piera na Taratasy faharoa nosoratan' i Piera dia boky ao amin' ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly, izay anisan' ireo atao hoe epistily na taratasy. Atao hoe Epistily katôlika io epistily io noho izy tsy natokana ho ana fiangonana iray fa ho an' ny fiangonana rehetra sy ny olona rehetra. Miova eo anelanelan' ny taona 60 sy 160 ny fotoana heverin' ny mpikaroka fa nanoratana azy. Misy toko 3 ity boky ity.
Ny tanjon' ny mpanoratra dia ny hanohitra ny fampianarana diso tsy araka ny Soratra Masina izay nanosika ny maro tamin' ny fiainam-pilibana. Enti-manohitra izany fampiarana diso izany ny fahalalana marina an' Andriamanitra sy an' i Jesoa Kristy. Resahiny koa ny antony mbola tsy isehoan' ny fiavian' i Kristy fanindroany.