Ny evanjelin' ny fahazazana na filazantsaran' ny fahazazana dia karazan-dahatsoratra mitantara ny fitorontoronana sy ny fahaterahana ary ny fahazazan' i Jesoa. Ao amin' ny toko roa voalohany ao amin' ny Evanjelin' i Matio sy ny Evanjelin' i Lioka (atao hoe "fitantarana ny fahazazana"), izay voasoratra tsy talohan' ny faran' ny taonjato voalohany dia ahitana ny tantara toy izany[1]. Hita koa izany ao amin' ny boky voasoratra taty aoriana izay anisan' ireo atao hoe boky apôkrifa, ka anisan' izany ny Prôtevanjelin' i Jakôba (izay nalain' ny Evanjelin' i Pseodo-Matio tahaka), ny Fiakaran' i Isaia, ny Evanjelin' ny fahazazana araka an' i Tômà ary ny Apôkalipsan' i Adama, na koa ny Evanjely arabon' ny fahazazana sy Evanjely armenianan' ny fahazazana, ny Antsan' i Salômôna, ny Asan' i Petera ary ny Epistilin' ny Apôstôly[2].
Ireo boky apôkrifa ireo dia mirakitra fitantarana misy tsipiriany kokoa noho ny hita ao amin' ny Evanjely kanônika, izay tsy azo heverina ho ambony noho izy ireo raha ny lafiny ara-tantara no heverina[3] ary izay miendrika fandalinana bebe kokoa an' ireo boky kanônika ireo, tsy araka ny fiheverana nanjaka hatramin' izay izay milaza fa mifanohitra amin' ny boky kanônika izy ireo[4]. Ireo fitantarana ireo dia mety nanana lanja ata-teôlôjia mifanahantsahana amin' ny an' ny evanjely kanôinika tamin' ny fotoana nanoratana azy ireo, hatramin' ny faran' ny taonjato voalohany sy nandritra ny taonjanto faha-2, izay vavolombelon' ny fiheverana ny fitorontoronana sy ny fahaterahan' i Jesoa izay nanan-danja tamin' izay[3]. Manoloana ireo lovantsofina ireo anefa dia tsy fantatra ny tantara tena marina momba ny fahaterahana sy ny fahazazana, ary tsy misy asa azo atao ankoatry ny fiaingana amin' ny fomba iheveran' ny Kristiana tamin' ny taonjato voalohany sy faha-2 ny fahazazan' i Jesoa[5].