Famolahana zavamaniry ho famboly

Ny fivoaran' ny teôsinta (ankavia) ho lasa katsaka (ankavanana).

Ny famolahana zavamaniry ho famboly dia dingana miadana sy miandalana, izay anovan' ny olombelona, ​​an-tsitrapo na tsy nahy, ny firafitry ny fototarazon' ny karazan-javamaniry ka tsy ahafahan' izy ireo zavamaniry ireo intsony miaina sy miteraka hoazy intsony any amin' ny natiora, fa tsy maintsy mila ny fandraisan' ny olombelona anjara. Ny famolahana zavamaniry ho famboly, izay niaraka amin' ny an' ny biby, dia niteraka ny fambolena sy ny fiompiana nandritra ny Revôlisiôna Neôlitika, izay nahitana ny fiovan' ny mponina mpihaza sy mpioty ho lasa mponina mpamboly sy mpiompy.

Ity dingana ity dia nanomboka tamin' ny vanim-potoana samy hafa ao amin' ny Hôlôsena tany amin' ny faritra maro manerana izao tontolo izao, anisan' izany ny tao amin' ny Tsinambolana Lonaka, ny tany Sina, ny tany Amerika Afovoany, tany Andes, ny Ginea Vaovao ary tany Afrika Andrefana. Izany dia nahatonga ny famoronana zavamaniry famboly niharana fiovana lalina amin' ny endrika sy ny simia ary ny fototarazo, vokatry ny faneren' ny fifantenana, izay niniana na tsia, nataon' ny mpamboly voalohany, na mivantana tamin' ny fifantenana masomboly na propagules, na ankolaka tamin' ny fomba famblena sy ny fanovana ny tontolon' ny fambolena.

Namorona fifandraisam-pifampiankinan' ny olombelona sy ny karazan-javamaniry sasany ny famolahana zavamaniry ho famboly. Amin' ny lafiny biôlôjika, ireo karazana zavamaniry nofolahina ho famboly ireo dia avy amin' ny fifantenana voajanahary nankany amin' ny fifantenana ataon' olombelon' olombelona.

Ny zavamaniry nofolahina kalasa famboly dia mazàna tsy manana intsony ny toetra sasany tao amin' ny razambeny toy ny fomba fanaparitahana (toy ny fialan' ny vihy avy amjn'ny babin-katsaka na ny fahavakisan' ny hoditra main' ny voa miaty vihy maro), ny fiarovana simika sy fizika amin' ny biby mpihinana zavamaniry sy ny fatoriana, satria ny ankamaroan' ny zavamaniry manan-danja ara-toekarena ankehitriny dia maniry isan-taona.

Matetika ny karazana biby fiompy sy zavamaniry ambolena, raha ampitahaina amin' ny karazana voajanahary, dia maneho toetra tsy mahazatra; raha ny marina mantsy dia novaina izy ireo, tsy ho amin' ny tombontsoany manokana, fa ho an' ny olombelona.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne