Ny fampianaran-diso na finoan-diso na herezia na heresia, raha ara-tantara, dia fampianaram-pinoana izay heverin' ireo ao amin' ny fivavahana arahin' ny maro anisa, na ao amin' ny fivavahana ôfisialy, fa mifanohitra amin' ny fampianarana marina tena izy (izay atao hoe ôrtôdôksia). Nampiasaina indrindra ny teny hoe heresia tamin' ny tantaran' ny fivavahana kristiana hanoherana ireo manao foto-pampianarana (dôktrina) na tenim-pinoana (dôgma) momba an' i Kristy sy ny Trinite na lohahevitra hafa tsy mifanaraka amin' izay tapaka amin' ny kônsily, indrindra ny tamin' ireo kônsily ekiomenika. Matetika dia ampangaina ho manao fampianaran-diso ny mpifanandrina ara-pampianarana amin' ny tena.
Atao hoe heretika na ny mpampiana-diso na ny mpanaraka finoan-diso. Ny mpitarika na ny lehiben' ny herezia iray dia atao ho hereziarka (grika: αἱρεσιάρχης / hairesiárkhēs), ny fandalinana ny herezia dia atao hoe hereziôlôjia, ary ny mpandalina ny herezia dia atao hoe hereziôlôga.
Tamin' ny Andro Taloha dia nenti-nilaza ny sekolim-pandinihana iray manokana ny teny grika hoe αἵρεσις / haíresis, ka ohatra amin' izany ny zaridainan' i Epikorôsy na Epikora. Nanjary nanana hevitra fanaratsiana ny teny hoe hairesis teo amin' ny asasoratr' ireo mpanao tantaram-pivavahana manohana ny Trinite (dia ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa tamin' izany fotoana izany), ary hatramin' izay dia nenti-nanondro fiheverana, fampianarana, na tenim-pinoana heverina fa mivaona amin' izay nekena na heverina fa zavatra efa azo ka tsy tokony hovana eo amin' ny sehatry ny fandinihana sy ny fahalalana ary ny fivavahana..
Nampiasaina hilazana ny zava-mitranga ao amin' ireo fivavahana hafa toy ny finoana silamo sy ny jodaisma, sns koa ny teny hoe herezia taty aoriana. Miitatra hatrany ny hevitry ny teny hoe herezia ka ilazana izay fampianarana sy fiheverana rehetra mifanohitra amin' izay heverina fa efa eken' ny be sy ny maro, na tsy momba ny fivavahana sy ny finoana aza izany.