Ny fanabeazana eto Madagasikara dia rafi-panabeazana sy fampianarana tanterahina eto Madagasikara, izay mahakasika ny toeram-pampianarana rehetra miankina sy tsy miankina manerana ny Nosy. Miankina amin' ny fanjakana sady laîka ny ampahany be amin' ny rafi-pampianarana malagasy ary tsy maintsy atao ho an' ny zaza 6 ka hatramin' ny 16 taona.
Manana tantara lava sy miavaka ny fanabeazana eto Madagasikara. Nanomboka tamin' ny fahatongavan' ny tantsambo arabo teto Madagasikara tamin' ny Andro Antenatenany ny fampianarana ara-dalàna, izay nanangana sekoly silamo (kuttab) vitsivitsy mifanandrify amin' ny ambaratonga fototra, ary namolavola fanoratana ny teny malagasy amin' ny tarehin-tsoratra arabo, antsoina hoe sorabe. Tsy naharitra ela ireo sekoly ireo ary tsy niverina ny fampianarana ara-dalàna raha tsy tamin' ny andron' ny Fanjakan' i Madagasikara tamin' ny taonjato faha-19. Niteraka rafi-pampianarana ambony indrindra taty Afrika atsimon' i Sahara talohan' ny fanjanahantany ny fanohanan' ny mpanjaka nifandimby. Na izany aza dia voafetra tao amin' ny faritra afovoan' i Madagaskara manodidina an' Antananarivo ny sekoly ara-dalàna ary natokana ho an' ny zanak' ireo ao amin' ny sarangan' ny andriana. Ao amin' ny ampahany hafa amin' ny mponina eto amin' ny Nosy dia ny fanabeazana nentim-paharazana ihany no mbola nanjaka tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20. Niompana amin' ny fanomanana ny ankizy handray ny toerany ao anatin' ny ambaratongam-piarahamonina anjakan' ny zokiolona, indrindra fa ny fanajana ny razana, izay heverina fa manara-maso sy anisan' ny mibaiko ny zava-mitranga eto an-tany, ity fampitana tsy ara-panjakana ny fahalalana sy ny fahaiza-manao ary ny fenitra iombonana ity.
Ankehitriny dia saika mahenika ny Nosy manontolo ny fanabeazana ambaratonga voalohany ary manomboka miitatra tsikelikely manerana ny faritra maro eto Madagasikara ny fampianarana ambony sy ny fampianarana teknika izay tantanin' ny fanjakana sy ny tsy miankina.