Ny fanandroana helenistika dia fanandroana hôrôskôpika izay novolavolaina sy nampiharina tamin' ny faran' ny Vanim-potoana Helenistika tao amin' ny faritr' i Mediteranea sy ny manodidina, indrindra tany Ejipta. Ny lahatsoratra sy ny teny teknika momba izany karazana fanandroana izany dia nosoratana tamin' ny teny grika (na tamin' ny teny latina indraindray). Izany fanao izany dia nipoitra tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-2 na fiandohan' ny taonjato voalohany tal. J.K, ary avy eo dia nitohy hatramin' ny taonjato faha-6 na faha-7 taor. J.K. Ity karazana fanandroana ity dia antsoina matetika hoe "fanandroana helenistika" satria novolavolaina tamin' ny tapany faramparany tamin' ny Vanim-potoana Helenistika, na dia mbola nampiharina nandritra ny taonjato maromaro aza izy io taorian' izany.