Fanjakan' Andriamanitra

Ny Fanjakan' Andriamanitra na Fanjakan' ny Lanitra dia hita ao amin' ny fivavahana abrahamika, indrindra ny jodaisma sy ny kristianisma, izay mahakasika ny andro farany. Ao amin' ny fivavahana kristiana, araka ny hita ao amin' ny Testamenta Vaovao, dia ivon' ny toritenin' i Jesoa ny amin' ny Fanjakan' Andriamanitra sy ny fanambaràna ny hiaviany.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne