Ny Fanjakan' i Israely (mitambatra) na Fanjakana mitambatr' i Israely sy i Jodà dia fanjakà-mpanjaka naorin' ny Israelita tamin' ny taona 1050 tal. J.K. any ho any. Nandimby ny vanim-potoan' ny mpitsaran' i Israely io fanjakana io ka i Saoly (na Saola) no mpanjaka voalohany nanapaka azy.
Araka ny Boky voalohan' i Samoela ao amin' ny Baiboly dia vokatry ny fanirian' ny Zanak' i Israely hanana mpanjaka sahala amin' ireo firenena hafa izay neken' Andriamanitra tamin' ny alalan' ny mpaminany Samoela no nampisy io fanjakana io (1Sam. 8).
Nivaky roa izany fanjakana izany taty aoriana ka ny avaratra dia ny Fanjakan' i Samaria fa ny atsimo kosa dia ny Fanjakan' i Jodà. Telo fotsiny ny mpanjaka nitondra an' io fanjakana io talohan' ny hizaràny roa, dia i Saoly sy i Davida ary i Sôlômôna (na Salômôna).