Fanorona

Fanorona

Fipetraky ny lahin'ny mpilalao mialoha ny ady amin'ny fanoron-tsivy

Ny fanorona dia lalaon-tsaina nenti-paharazana malagasy. Olon-droa no mifanandrina amin' izany ary mandany ny vaton' ilay mpifanandrina ny tanjona, toy ny ady. Rehefa maty kosa ilay mpifanandrina iray, dia azo avela koa dia miroso amin' ny fomba filalaovana antsoina hoe "vela" ny mpifanandrina roa, mba hahafahan' ilay maty tamin' ny voalohany ho afa-bela.

Ny tanjon' ny fanorona dia tsy ny hamono ihany, fa ny mamelona ihany koa ilay mpifanandrina maty tamin' ny lalao voalohany. Ny fanorona ihany angamba no lalao eto an-tany izay tsy mamono fitsiny fa mamelona ihany koa.

Marihina fa fady ny miloka amin' ny fanorona satria ilay lalao rahateo dia saro-pady amin' ny Malagasy.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne