Ny Faritanin' Antananarivo dia faritany malagasy misy ny renivohitr' i Madagasikara. Ny velarantaniny dia 58 283 km2. Ny isa-mponiny dia misy 4 580 788 (tamin' ny Jolay 2001). Ny renivohiny dia Antananarivo, renivohitr' i Madagasikara koa. Ny Faritanin' Antananarivo irery no faritany tsy manana morontsiraka amin' ny faritanin' i Madagasikara. Tsy vondrom-paritra itsinjaram-pahefana ny faritany taorian' ny fanavaozana ny Lalàmpanorenana tamin' ny Avrily 2007 izay nametraka ny faritra nefa naverina ny maha vondrom-paritra itsinjaram-pahefana azy tamin' ny Lalàmpanorenan' ny taona 2010 na dia tsy nohajaina aza izany.