Faritany eto Madagasikara

Faritany eto Madagasikara: 1-Antananarivo, 2-Antsiranana, 3-Fianarantsoa, 4-Mahajanga, 5-Toamasina, 6-Toliara

Ny faritany eto Madagasikara dia fizaràna' ny tanim-pirenena malagasy ara-pitantanan-draharaha sy ara-pôlitika izay miisa enina. Ireto avy izy ireo:

  1. Faritanin' Antananarivo,
  2. Faritanin' Antsiranana,
  3. Faritanin' i Fianarantsoa,
  4. Faritanin' i Mahajanga,
  5. Faritanin' i Toamasina,
  6. Faritanin' i Toliara.

Noravana ny faritany taorian' ny fananganana ny faritra sy ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana tamin' ny taona 2007. Fe-potoana telopolo volana (hatramin' ny Ôktôbra 2009) no navela ho an’ ny fiampitana mankany amin' ny fametrahana ny faritra. Fa tamin' ny lalàmpanorenan' ny taona 2010 dia naverna indray ny faritany mizaka tena enina[1].

  1. "Constitution de la Quatrième République", www.hcc.gov.mg

From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne