Faritra Sava

Faritra Sava
-
Fianarana no lova tsara
Firenena  Madagasikara
Faritany Antsiranana
Renivohi-paritra Sambava
Distrika Sambava, Andapa, Vohemar, Antalaha
Lehiben'ny faritra Tsy fantatra
Fianarana no lova tsara
Velarantany 25 518 km2
Isam-ponina 980 807 mpo.
Hakitroky ny mponina 38,44 mpo/km2
Fianarana no lova tsara
Laharam-pehintany -----
Laharan-jarahasina -----
Sambava

Ny faritra Sava dia faritra ao amin' ny faritanin' Antsiranana, any avaratra amin' i Madagasikara. Ny renivohiny dia i Sambava. Ny faritany dia ao amin' ny morontsiraka avaratra-atsinanan' i Madagasikara. Izy io dia mizara sisintany amin' ny faritra Diana, any avaratra-andrefana, sy Sofia any atsimo-andrefana ary ny faritra Analanjirofo any atsimo. Ny isan' ny mponina dia 805 300 tamin' ny taona 2004 ary ny velarantany dia 25 518 km2.

Ny faritra Sava dia voazara ho distrika efatra: Sambava, Antalaha, Vohemar ary Andapa. Ny anaran' ny faritra dia avy amin' ny lohasoratr' ireo distrika ireo : Sambava, Antalaha, Vohemar ary Andapa. Ireo tanàna ireo dia milaza-tena ho "Renivohitry ny lavanila", satria io faritra io no tena mpamoaka lavanila indrindra eto an-tany.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne