Faritra eto Madagasikara

Ny faritra 22 eto Madagasikara, tamin' i Vatovavy-Fitovinany mbola tsy nozaraina roa ho Vatovavy sy Fitovinany.

Ny faritra eto Madagasikara dia fizaràna ny tanim-pirenena malagasy, izay neritreretin' ny mpamolavola ny lalàmpanorenana sy ny lalàna fehizoro momba izany ho vondrom-paritra itsinjaram-pahefana, lehibe noho ny kaominina sy kely noho ny faritany, sady fari-piadidiana ara-pitantanan-draharaham-panjakana, izay miisa dimy amby roapolo (raha roa amby roapolo izany tamin' ny fiantombohany).

Ny faritra no lasa fizaràna voalohany ny tanim-pirenena malagasy tamin' ny fanafoanana ny maha vondrom-paritra ny faritany enina tamin' ny volana Ôktôbra 2009 ary ny namoronana ny faritra eto Madagasikara tamin' ny alalan' ny lalàna faha-2004-001. Tamin' ny fanovana ny lalàmpanorenana tamin' ny taona 2010 dia lasa fizaràna ao amin' ny faritany, izay naverina ho vondrom-paritra itsinjaram-pahefana, indray ny faritra. Ny lalàna faha-2014-020 tamin' ny taona 2014 dia nilazalaza amin' ny antsipiriany ny amin' ny vondrom-paritra misy eto Madagasikara (ny faritany sy ny faritra ary ny kaominina)[1]. Araka ny lalàmpanorenan' i Madagasikara tamin' ny taona 2010 dia anisan' ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana sady faritra ara-pitantanan-draharaham-panjakana ao amin' ny sehatry ny fanapariaham-pahefana ny faritra satria mifehy koa ny lehiben' ny distrika sy ny lehiben' ny sampan-draharaham-panjakana ny lehiben' ny faritra. Ankehitriny dia fanapariaham-pahefana mifangaro fa tsy fitsinjaram-pahefana no satan' ny faritra eto Madagasikara noho ny mpitarika azy (ny governora) tsy olom-boafidy fa olom-boatendrin' ny filohan' ny Repoblika. Na dia faritan' ny Lalàmpanorenana ho vondrom-paritra itsinjaram-pahefana aza ny faritra dia mampanakaiky azy ireo kokoa amin' ny rafi-pitantanana anapariaham-pahefana ny ny fanendren' ny fanjaka foibe ny governora.

  1. "Loi 2014-020 fixant le nombre, la dénomination... des Collectivités territoriales décentralisées Archived Febroary 19, 2018 at the Wayback Machine", www.assemblee-nationale.mg, 27 septembre 2014 (Arsiva).

From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne