Ny fehezanteny dia teny na andian-teny tononina na soratana manara-pitsipika ka azo ampitana hafatra mahaleo tena, noho izy azo sarahana amin' ny andian-teny hafa izay mety hitovy fiasa aminy. Raha soratana amin' ny abidy latina na ny mitovitovy aminy ny fehezanteny dia azo atomboka amin' ny sora-baventy ary faranana amin' ny teboka, ary izany tokoa matetika no famaritan' ny boky fianarana fitsipiteny ho an' ny ankizy azy[1]. Ny fehezanteny ahitana teny roa na mihoatra no tena mateti-piseho.