Ny fiendrika anelanelany na fiendrika anelanelany anoina dia fiendrika hita ao amin'ny fiteny indo-eoropeana toy ny fiteny grika taloha sy ny fiteny sanskrita sy ny fiteny latina ary ny fiteny islandey.
Raha ny heviny no jerena dia ahitana azy ihany koa ny fiteny sasany ankehitriny nefa tokony hatao hoe fitodika fa tsy fiendrika izany satria mitovy amin'ny fiendrika mañano ihany. Saika hitovy amin'ny fiendrika tampody ao amin'ny fiteny frantsay izy nefa tsy mampiasa mpisolo tena fameno mitovy laharana amin'ny mpisolo tena lazaina.