Ny Filazantsara araka an' i Matio, na Vaovao Mahafaly araka an' i Matio, na Filazantsara nosoratan' i Matio, dia voalohany ao amin' ny Filazantsara efatra ao amin' ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly. Ny lohahevitra ny amin' ny Fanjakan' ny Lanitra no ivon' ny fampianaran' i Jesoa na Jesosy ao amin' ity evanjely ity, izay hamafisin' ny fiantsoana an' i Jesoa ho "Zanak' i Davida". I Jesoa no ilay mpanjaka izay tsy maintsy ho avy, efa nambaran' ny mpaminany: izay no hafatra tian' io vaovao mahafaly io hampitaina. Nitondra fanomezana ho an' ity "mpanjakan' ny Jiosy" (na "mpanjakan' ny Jody) ity ny Magy (na Majy) telo lahy (Mat. 2:2). Nanambara i Jesoa fa "akaiky ny Fanjakan' ny Lanitra" (Mat. 4:17) ary ho an' izay mibebaka sy (Mat. 4:7) izay mahalala ny fitadiavany an' Andriamanitra (Mat. 5:1-10). Na dia nanao famantarana momba ilay Fanjakana aza izany "mpanjaka" izany tamin' ny nanasitranany ny marary, tamin' ny namahanany ny vahoaka noana (Mat. toko 8; 9;12; 14--15.), dia tsy noraisin' ny olona, araka ny efa nambarany matetika: tsy azon' ny Jiosy (na Jody) nangataka mpanjaka fa tsy maintsy hijaly izany mpanjaka izany.
Tian' i Matio ny hanamafisana fa ny fomban-drazana jiosy dia tsy tokony ho very ao amin' ny fiangonana izay miha-manjary jentilisa na jentily. Ity filazantsara ity dia maneho ny ady sy ny fifandirana nisy eo amin' ny fiangonan' ilay evanjelista sy ny Jiosy hafa, indrindra amin' ny fanakianana mafy ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo amin' ny filazana fa noho ny fandavany an' i Kristy dia nesorina tamin' izy ireo ny Fanjakan' Andriamanitra ka nomena ho an' ny fiangonana.
Anisan' ny Filazantsara sinôptika, izany hoe miresaka zavatra mitovy, mitovy fijery, ny Evanjelin' i Matio. Tokony ho teo anelanelan' ny taona 70 sy 90 no nanoratana azy. Misy toko 28 ity boky ity.