((fi)) | |||||
sv | |||||
Repoblikan' i Finlandy ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : Tsy misy | |||||
Teny ofisialy | fiteny finoa, fiteny soedoà | ||||
Renivohitra | Helsinki 60°10′N 24°56′E / 60.167°N 24.933°E | ||||
Tanàna ngeza indrindra | Helsinki | ||||
Fitondrana sy governemanta - Filoha - Praiminisitra |
Repoblika arak' antenimiera Sauli Niinistö Petteri Orpo | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 65 338 145 km² 9,4 % | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2008) - hakitroka |
faha 109 5 279 228 mpo. 17,25 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Finlandey | ||||
IDH (2008) | Mihakatra 0,959 (avo) faha 12 | ||||
Sandam-bola | Euro (EUR¹ )
| ||||
Faritr'ora | UTC +2 | ||||
Hiram-pirenena | Maamme (Ny tanindrazanay) | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+358
|
I Finlandy na Finlanda dia firenena any Eorôpa Avaratra ao amin' ny Vondrona Eorôpeana hatry ny taona 1995, manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasina Baltika, indrindra eo amin' ny Helodranon' i Bôtnia sy ny Helodranon' i Finlandy any atsimo. Ny tany misy an' i Finlandy dia any ivelan' ny Saikanosy Skandinava, any avaratra-andrefan' i Rosia ary any atsinanan' i Soeda. Manodidina ny iray ampahatelon’ ny tanin’ i Finlandry (i Lapônia) dia ao avaratry ny ny Faribolan-tendrontany Arktika. Ara-jeôgrafia dia indraindray ampidirina ao amin’ ny faritr’ i Skandinavia ity firenena ity. Mihoatra kelin’ ny 65 % amin’ ny tanin’ i Finlandy no rakotry ny ala. Ahitana farihy miisa mihoatra ny 6 500 any ho any, ao amin’ ny Saikanosin’ i Ahvenanmaa ao atsimo-andrefana, ity fifrenena ity. Mitombo 1 000 km2 isan-taonjato ny velaran-tanin’ i Finlandy noho ny fitsoniky ny ranomandry izay mahatonga ny fisehoan’ ny tany rakotra ranomandry taloha. Io toerana io dia tratran' ny hatsiaka ary ngazana an-tapany mandritry ny andro ririnina.
Miisa 5,3 tapitrisa ny mponina any ka mahatonga an' i Finlandy ho anisan' ny firenena kely hakitroky ny mponina indrindra eto an-tany. Ny ankabeazan' ny olona any Finlandy dia mipetraka any amin' ny tapany atsimony misy ny renivohitra Helsinki, sy ny tanàna lehibe toa an' i Espoo sy i Vantaa, ao amin' ny Faritanin-drenivohitra. Ny Finlandey dia manana fiteny ôfisialy roa, ny fiteny finoa sy ny fiteny soedoa, ary amin' ireo teny ireo dia Suomi sy Finland ny anaran' ilay firenena.
Nandritry ny ela, i Finlandy dia nentin' ny Fanjakan' i Soeda mifanila aminy, namorona ny renivohitra voalohany atao hoe Turku, i Finlandy dia mbola voamariky ny ady nampifanohitra azy tamin' i Rosia, izay tanjaka imperialista nahalasa azy ho diose rosiana mizaka tena tamin' ny taona 1809; tamin' ny taonjato faha-20 i Finlandy vao nahazo fahaleovan-tena tamin' i Rosia taorian' ny ady an-trano niseho tamin' ny taona 1917.